Antsirabe: Tovolahy iray maty nazeran'ny bisikilety, avy eo voahitsaky ny fiara

  • vendredi, 14 février 2020 22:55
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Tovolahy iray, mpianatra amina oniversite tsy miankina eto Antsirabe, no maty tsy tra-drano nianjera tamin'ny bisikilety nentiny, avy eo voahosin'ny fiara.

Teo Sahatsiho, izay fidinana voalohany raha hivoaka ny tanànan'Antsirabe ka hianavaratra manaraka ny lalam-pirenena faha-7, no niseho ny loza androany tolakandro.

Roalahy izy ireo no niaraka, samy nitondra bisikilety hamonjy fodiana. Somary nandeha mafimafy izy ireo nidim-pidinana raha ny fahitan'ny olona azy. Tampoka teo anefa dia nitrosona niaraka tamin'ny bisikileta nentiny ilay tovolahy, ary tafiditra tany ambany fiara taksiborosy niaka-piakarana. Tsy afa-niala ity farany ka voahosiny ny faritry ny lohan'ilay tovolahy.

Maty tsy tra-drano ilay tovolahy, nandriaka ny ra.

Tonga nanao fanamarinana ny loza sy nanokatra fanadihadiana ny Zandary.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.