Isoanala RN 13: Dahalo mpanakan-dalana roa lavon’ny Zandary, iray azo sambobelona

  • vendredi, 14 février 2020 18:26
  • Sary: ZP

Nahitam-bokany ny fikarohana nataon’ny Zandary ireo dahalo nanafika taksibrosy « Carandal » nitondra mpandreha niainga avy ao Antananarivo hiazo an’i Tolagnaro ny alin’ny 12 febroary, niseho tao Sakoamanambadimanga, 7km atsimon’i Isoanala manaraka ny lalam-pirenena faha-13.

Voatifitra teo amin’ny kibony ny mpamily, nentin’ireo dahalo nampijanonana ny fiara. Vola mitentina 12 000 000 Ariary miampy « panneaux solaires » roa, bisikileta roa, findain’ireo mpandeha no voaroba. Nentina tao amin’ny « Poste Fixe » Somotsoy ireo naratra, nalefa ao amin’ny CSB Isoanala koa ilay mpamily voatifitra.

Mbola nandroba omby tao Andaro Kaominina Isoanala ireo dahalo ny 13 febroary. Nanao hazalambo ireo dahalo ny Zandary. Nisy ny fifandonana tao Manitsirano Kaominina Isoanala omaly. Tafaverina ny omby 09. Dahalo roa maty, iray azo sambobelona voatifitra teo amin’ny tongony. Hita tany amn’izy ireo ny akanjo sy findain’ireo mpandeha.

Misy olomboafidy ahiahiana ao ambadik’ity asan-dahalo sy fanakanan-dalana mpiseho manodidina ny Kaominina Isoanala ity. Manao fanadihadiana mikasika izany ny Zandarimaria ankehitriny.

Noraisina ny fepetra fa hisy Zandary manaraka ireo fiara mizotra amin’iny RN13 iny, indrindra ny amin’ny alina.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.