Ampanihy Andrefana: Henan-tsokatra maina 350 kg sy sokatra velona 7 tra-tehaka saika hamidy

  • mercredi, 12 février 2020 15:24
  • Sary: ZP

Saron’ny Zandary avy eo anivon'ny kaompania Ampanihy Andrefana tao Antranoavo, Kaominina Androhipano, Distrika Ampanihy Andrefana ny 05 febroary teo ny henan-tsokatra milanja 350kg efa maina natao tao anaty gony miisa 14 sy sokatra velona amin’ny karazany « radiata », izay biby arovana sao ho lany tamingana, miisa 7.

Olona tsara sitrapo no nanao fanairana ny mpitandro ny filaminana, izay niara-niasa tamin'ny WWF sy ny MNP (Madagascar National Park) ka nahazoana ny vokatra.

Nodorana ny 10 febroary ireo hena ho fiarovana ny fahasalam-bahoaka, natolotra ny "Chef cantonnement" ao an-toerana kosa ireo sokatra velona mba ahafahana mamerina azy amin'ny toerana tokony hisy azy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.