Morondava: Tsy tafarina hatramin’izao ny biraon'ny Faritra Menabe may tamin’ny aogositra 2018

  • lundi, 10 février 2020 12:26
  • Tahirin-tsary Gasypatriote Morondava

Mbola vatan-drindrina no mijoro 18 volana taorian’ny nahamay ny biraon'ny Faritra Menabe eto Morondava ; tsy mbola voaharina hatramin'izao. Nahita maso izany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Randriamandrato Richard nandritra ny diany teto Morondava ny sabotsy 8 febroary 2020 teo.

Ny 06 Aogositra 2018 no nahamay ity biraon’ny Faritra ity, ary potika hatramin’ny lisi-pifidianana tamin’izay.

Akoson’aratra (court-ciruit) vokatry ny fitarihana jiro amin’ny asa ataon’ny BNGRC no tombanana fa fototry ny afo nanomboka tamin’ny roa tolakandro teo, io andro io, ary adin’ny telo taty aoriana vao voafehy ny fihitaran’ny afo noho ny fitsokan’ny rivotra sy ny akora nandrafetana ny trano mora mirehitra, satria saika vita amin’ny hazo ny ankamaroany. Tsy manana “pompier” rahateo ihany koa ny Kaominina ambonivohitr’i Morondava fa fiaraben’ny ASECNA no namonjena namonoana ny afo.

Nisy ihany ny entana vitsy azo navotana, saingy izay tafavoaka nisy nanararaotra nangalatra toy ny ordinatera. Izay tsy very dia simba, toy ny ordinateran’ny CED izay rantsan’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) Distrikan’i Morondava, misy ny tahirim-baovaon'ny fifidianana izay hanontana ny lisi-pifidianana ho an’i Menabe manontolo.

Levon’ny afo ny Arsiva rehetra, toy ny taratasy mikasika ny basy manerana ny Faritra Menabe.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.