Herinaratra: Vonona hizara traikefa sy hanohana an'i Madagasikara ny Kanadiana

  • dimanche, 09 février 2020 17:53
  • Sary nomena

Nihaona tao Addis-Abeba, androany, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Praiminisitr'i Canada Justin Trudeau, ity farany izay manatanteraka fitsidihana ao Afrika. Samy maniry ny hanamafy sy hanatsara ny fifandraisana efa misy eo amin'ny firenena roa tonta izy ireo, ary naniry ihany koa ny hivelaran’ izany amin'ny sehatra hafa toy ny fanabeazana sy ny tontolo iainana.

81% ny fotodrafitrasa ao Canada moa dia miodina amin'ny alalan'ny angovo azo havaozina avokoa, ka nanambara Atoa Justin Trudeau fa vonona hifampizara traikefa sy hanohana an'i Madagasikara amin'ny fametrahana vahaolana haingana sy maharitra amin'ny fampidirana herinaratra ho an'ny rehetra.

Nifampiresahan’ny roa tonta ihany koa ny hisian'ny fifanakolazana eo amin'ny anjerimanontolo eo amin’i Canada sy Madagasikara entina hanamafisana ny politikam-pampianarana sy hanitarana ireo seham-pampianarina eto Madagasikara.

Niarahaba manokana ny Filoha Andry Rajoelina ihany koa ny Praiminisitra Justin Trudeau amin'ny fahavitriany sy ny fahavononany ary indrindra ny politika fampandrosoana entin'ny Filoham-pirenena hanarenana an'i Madagasikara izay mifototra amin'ny fampivoarana ny tanora, ny indostria malagasy sy ny toekarena maitso.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.