Distrikan'i Mahabo: Mahatsiaro ho saziana noho ny safidiny ny Vahoaka

  • samedi, 08 février 2020 22:45
  • Sary nindramina

Fito volana tsy nahita izay solombavam-bahoakany ny Distrikan’i Mahabo, Faritra Menabe. Manomboka mametra-panontaniana ny Vahoaka aty an-toerana manoloana ny zava-misy.

Nentanina izahay hifidy izay olona mendrika sy afaka hitondra tenin'ny vahoakan’i Mahabo any amin’ny governemanta sy ny fanjakana foibe, ary hiady ny ho fampandrosoana ity Distrikanay ity, hoy ny olona sendra ny GasyPatriote.

Tonga nanefa ny adidy sy naneho ny safidy ny vahoaka ny 27 mey 2019, andro nanatanterahana ny fifidianana solombavam-bahoaka nanerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Namoaka vokatra ny CENI, nitarika vonjimaika ny kandida tsy miankina Raveloson Ludovic dit Leva. Nohamafisin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana io vokatra io, ary nambara fa voafidy ofisialy ho solombavam-bahoaka tato amin’ny Distrikan’i Mahabo i Raveloson Ludovic dit Leva, izay efa solombavam-bahoaka teo aloha tato ihany.

Voahaja ny safidinay, hoy hatrany ireo naneho hevitra. Gaga anefa izahay, hoy ireto farany, fa fito volana ihany izay no lasa tsy hitan’ny masonay ny solombavam-bahoaka nofidianay fa hoe : voatana am-ponja. Koa nosaziana noho ny safidinay ve izahay Vahoaka, hoy ny fanontanian’ny olona.

In-droa miantoana izahay, hoy ireto farany, no nandre fa nivoaka ny fonja nitazomana azy, nahazo fahafahana i depiote Leva. Namelona tsirim-panantenana tamin’ny Vahoaka izany, satria hisy hitondra amin’izay izany ny hetahetam-bahoaka, ary roso amin’ny fampandrosoana amin’izay ihany koa amin’ny fanapahana ny hampiasana ny volan’ny CLD.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.