Maromandia- Analalava: Vehivavy roa voasambotra niaraka tamin’ny rongony maina 10 kg sy ranony 6 litatra

  • vendredi, 07 février 2020 20:41
  • Sary: ZP

Tra-tehaky ny Zandary avy ao amin’ny Tobim-paritra Maromandia, ny 06 febroary 2020, ny renim-pianakaviana miisa roa tao Labandy Kaominina Maromandia, Disttrikan’i Analalava, miaraka amin’ny rongony 10 kg sy ranon-javamahadomelina sahabo 6 litatra.

Niainga avy amin’ny loharanom-baovao avy tamin'olona tsara sitrapo no nahitana azy ireo, ka nahazoana taratasy fisavàna sy fanagiazana ary fisamborana avy amin'ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Analalava.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.