Fakana ankeriny tao Sakaraha: Olona dimy voasambotra, roa maty voatifitra, roa hafa karohina

  • mercredi, 05 février 2020 17:40

Mitohy ny fisamborana sy fikarohana ireo atidoha sy nitsikombakomba tamin’ny fakana ankeriny tovolahy iray, 17 taona, teto Sakaraha ny marainan’ny alatsinainy 03 febroary 2020. Avotry ny Zandary ilay tovolahy. Lavon’ny Zandary ny andron’io ihany ny roa tamin’ireo mpaka an-keriny.

Voasambotra tao Soarano Kaominina Sakaraha ny tompon'antoka amin’ny tsy fandriam-pahalemana misy eto Sakaraha sy ny manodidina, araka ny fanomezam-baovao avy amin’ny tsara sitrapo, ary io olona io no nanoro ireo namany sy ireo mpiara-miasa aminy rehefa voasambotra.

Nanonona anaran’olona enina mpiara-manafika aminy io jiolahy raindahy io, ka efa voasambotra ny efatra ary mbola mitohy ny fitadiavana ireo roa ambiny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.