Ambatofinandrahana: Natsipiny ny basy dia naleon’izy ireo nanavotr’aina nisitrika any anaty ala

  • mercredi, 05 février 2020 14:49
  • Sary ZP

Basy MAS 36 iray, tsy nisy bala, no azon’ny Zandary nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo tao Vinany Fokontany Tsimamaliavona, Kaominina Fenoarivo, Distrika Ambatofinandrahana ny alatsinainy 3 febroary teo.

Nisy andian’olona rifatra nitsoaka raha hifanena tamin’ireto Zandary ireto. Nomena fampitandremana hijanona izy ireo, saingy ny nanao tongotra an-katoka nanavotr’aina nitsofoka any anaty ala no nataon’izy ireo, sady natsipiny ilay basy MAS 36 iray sy ny zavamaranitra teny amin’izy ireo.

Mitohy ny fikarohana ny fiaviana sy tompon’ity basy ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.