Toby Akamasoa-Andralanitra: Nanolotra kitapo miisa 5500 ho an’ny mpianatra ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena

  • jeudi, 23 janvier 2020 20:32
  • Loharanom-baovao: MENETP

Kitapo miisa 5500 no natolotry ny Minisiteran'ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana ara-teknika sy arak'Asa ireo mpianatra eny amin'ny toby Akamasoa, tantanan'i Mompera Pedro eny Andralanitra, androany, ho fanohanana ny asa sosialy amin'ny fanabeazana ireo ankizy eny an-toerana.

Manodidina ny 15 000 ny isan’ny mpianatra beazina ao amin'io toby io ankehitriny.

Anisan'ireo sekoly manana vokatra tsara eo anivon'ny CISCO Avaradrano, ZAP Ambohimangakely ny toby Akamasoa eny Andralanitra. Tamin'ny bakalorea farany teo dia nahatratra 92% ny tahan'ny fahafaham-panadinana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.