Bekily: Tratra ny lehiben’ny dahalo nampihorohoro ny Faritra SAVA

  • jeudi, 23 janvier 2020 12:25
  • Sary Gasypatriote Sambava

Voasambotry ny Zandary tany Bekily, Faritra Androy ny lehilahy iray, lehiben'ny dahalo izay nampihorohoro ny Faritra SAVA. Naverina aty Sambava avy hatrany izy io hanaovana famotorana.

Tafiditra tao anatin'ny fanafihana mpivarotra tany Andranomifototra, Kaominina Maroambihy Sambava izy ny 14 desambra 2019, izay nahavery vola 20 tapitrisa Ariary eo. Naratra mafy vokatry ny fifandonana tamin’izany ny mpivady tompontrano.

Tamin’io andro io ihany, vokatry ny fanarahan-dia nataon'ny Fokonolona, dia dahalo telo no tratra ary tsy namelan'ireto raha tsy tapitry avokoa ny aina, ka matin'ny fitsaram-bahoaka.

Ny efatra kosa tratran'ny Zandary avy taty Sambava, ary ny iray izay nitondra basy miaraka amin'ny vola, lehiben'izy ireo, izao tratra farany tany Bekily ity.

Mody nivarotra akoho avy any Ambilobe mankaty amin'ny Faritra SAVA ireto andian-dahalo ireto, ka rehefa nisy ny nanaiky niara-niasa tamin'izy ireo ny tompon-tanàna dia roso ny asa fampihorohorohana.

Atolotra ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antalaha anio izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.