Maroc: Nisy nangalatra ireo famantaranandro lafo vidy an’ny mpanjaka Mohammed VI

  • mercredi, 22 janvier 2020 21:50
  • Sary nindramina

Vehivavy iray mpiasa ao an-dapa Marrakech no ahiahiana fatratra ho nahavita ity halatra ity. Tsy mba famantaranandro iray fa maromaro, ary lafo vidy tokoa. Niaiky ilay ramatoa fa nangalatra, nolaviny kosa ny fisian’olon-kafa nitsikomba taminy.

Na izany aza miisa 25 ireo olona voarohirohy sy nanokafana fanadihadiana amin’ity fahaverezan’ny famantaranandron’ny mpanjaka Mohammed VI ity, anisan’izany ireo mpivarotra volamena, ireo tomponandraikitra amin’ny « renseignements généraux » ao Marrakech.

Misy 1,2 tapitrisa dolara ny tentimbidin’ny famantaranandro iray anaovan'ny mpanjaka Mohammed VI. Tsy voalaza na isan’ireo very izy io.

Nahemotra ho amin’ny herinandro ambony io ny fitsarana ity raharaha ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.