Maevatanana: Olona roa maty nirodanan’ny trano

  • mercredi, 22 janvier 2020 14:35
  • Sary nomena

Trano iray vita amin’ny biriky teo Anosikely Avaratra eto Maevatanana, renivohitry ny Faritra Betsiboka no nirodana tampoka androany alarobia 22 janoary 2020, tokony ho tamin’ny 5ora maraina, nihotsaka noho ny hamandoana ateraky ny ora-mikija tato ho ato.

Na teo aza ny famonjena nataon’ny olona sy ny Zandary teto an-toerana, dia olona roa, vehivavy avokoa, 32 taona sy 12 taona, namoy ny ainy nony tonga teny amin’ny hopitalibe CHRR Betsiboka. Avotra kosa ny zazalahy iray.

Efa eo anivon’ny fianakaviana ny vatana mangatsiakan’izy mianaka, taorian’ny fanamarinana nataon’ny dokotera.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.