Fitsarana: Tazomina am-ponja vonjimaika ao Miarinarivo ilay Zandary nitifitra olona tao Dondona

  • mardi, 21 janvier 2020 21:59

Natolotra ny fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Miarinarivo androany talata 21 janoary 2020 ilay Zandary, nitifitra ka nahafaty olona telo sy nandratra olona telo hafa tao Dondona, Distrikan’i Soavinandriana Itasy tamin’ny 7 janoary 2020.

Fanerena olona hanome vola sy vono niniana natao no vesatra nanenjehana azy. Notazomina amponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Miarinarivo ilay Zandary taorian’izay.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.