Tafika Malagasy: Havaozina sy hasiana fanitsiana ny rafitra

  • lundi, 20 janvier 2020 21:24
  • Sary nomena

Tonga nanokatra ny atrikasa izay ataon'ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy, teny amin’ny CCI Ivato ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian androany. Dinikasa entina manatanteraka ny rindran-damina amin'ny fanavaozana ny rafitry ny Tafika, izay natrehin'ireo mpikambana eo anivon'ny governemanta voakasika amin'ny sehatry ny fandriampahalemana.

"Tsy misy fampandrosoana azo eritreretina eto amin’ny firenena raha tsy mipetraka ny filaminana”, hoy ny Praiminisitra. Izany anefa dia miankina amin’ny fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana isan-tsokajiny, indrindra ny eny ifotony. Noraisiny ho ohatra ny fiarovana ny fari-dranomasina sy ny sisin-dranomasin’i Madagasikara, efa miroso amin’ny fampiroboroboana ny toe-karena manga isika amin’izao fotoana izao. Ka izay no tokony handinihana paikady mazava, sy ny toerana tokony hasiana ny tobin’ny tafika an-dranomasina mba ho tena fanoitra iray ahafahana mampandroso ny firenena, ny fiarovana ny sisin-dranomasina sy ny fari-dranomasina manerana ny Nosy noho ny fisian’ireo harena an-dranomasina maro ananan’i Madagasikara".

“Tokony ho resy lahatra amin’ny anaovana ny fanavaozana ny rehetra, satria sarotra ny mampiasa ny rafitra izay napetraka tany amin’ny taona 1960, kanefa tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny firenena amin’ny zotram-pampandrosoana apetraka amin’izao fotoana izao”, hoy hatrany ny Praiminisitra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.