Taom-pambolenkazo: Natomboka taty Sakaraha ny an’ny Faritra Atsimo Andrefana

  • lundi, 20 janvier 2020 10:04
  • Sary nindramina

Zana-kazo 55 000 fototra no novolena amin'ny velaran-tany 100 hekitara taty Sakaraha ny alahady 19 janoary, fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny taom-pambolenkazo 2020. Nandray anjara mavitrika tamin'izany ny teo anivon'ny Ministeran'ny Tanora sy Fanatanjahan-tena, izay tarihin'Atoa Minisitra Tinoka Roberto, sady Minisitra « coach » ny Faritra Atsimo Andrefana.

Nifarimbona tamin’izany ny mponin’i Sakaraha sy ireo olo-manankaja rehetra amin'ny faritany Toliara sy ireo sampandraraha misy ao amin'ny Faritra Atsimo Andrefana.

2000 hekitara ny toerana azo volena hazo ao amin’ity lemaky Sakaraha ity, ary mbola hitohy ny asa sy ny ezaka fambolena. Hazo 60 tapitrisa fototra no tanjona hovolena amin’ity taona ity, manerana an’i Madagasikara hanamarika ihany koa ny tsingerin-taona faha-60 niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.