Fanadiovana: Nitohy teny Anosibe ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana, niteraka sakoroka anefa izany ny hariva

  • samedi, 18 janvier 2020 18:11
  • Sary: Polisim-pirenena

Vao maraina omaly zoma 17 janoary dia efa nidina teny Anosibe, Boriborintany fahaefatra Antananarivo Renivohitra, ny mpitandro ny filaminana, nanala ireo mpivarotra amoron-dalana, ireo sarety mipetraka amin'ny sisin-dalana, ary fanakisahana ireo fiara mihantsona amin'ny sisin-dalana.

Nitohy ihany koa ny fanabeazana ny mpandeha an-tongotra handeha amin'ny sisindalana sy hiampita amin'ny faritra voatokana ho azy izy ireo.

Ny harivan'io ihany anefa dia nisy an-dihan'olona tsy fantatra nanakan-dalana, ka voatery natsahatra vonjimaika ny fifamoivoizana teny an-toerana, ary nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana.

Mitohy hatrany ny fanadiovana ny tanàna hoy ireo tompon'andraikitra, ary entanina ny rehetra hanaja ny fahadiovana, hanaja ny fiampitana arabe amin'ny toerana voatondro amin'izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.