Miandrivazo: Krevety tsy nisy taratasy 400kg nogiazana

  • vendredi, 17 janvier 2020 11:48
  • Sary: ZP

Tra-tehaka tao Analamaizina Kaominina Andranomainty nandritra ny fitsirihana nataon’ny BPR Miandrivazo amin’ny lalam-pirenena ny andron'ny 16 janoary 2020 ny fiara iray nitondra krevety milanja 400kg sy trondro 30kg nokasaina ho entina any Antananarivo, na dia tsy nisy taratasy aza. Mbola voararan'ny lalàna anefa mitondra krevety satria tsy mbola misokatra ny fotoam-panjonoana.

Nogiazana avy hatrany ireo hazandrano ary nanokafana famotorana niaraka tamin'ny sampandraharahan’ny Jono aty Miandrivazo.

Taorian'izany dia nozaraina ho fanampiana an'ireo voafonja sy ireo Tobim-pahasalamana ao an-toerana ireo entana rehefa hita fa azo hohanina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.