Fanafihan-dahalo: Omby 550 voaroba an-dalana teny Beravina, 7 lahy voatifitra tany Amboasary Sud

  • jeudi, 16 janvier 2020 16:06
  • Sary nomena

Mirongatra ny asan-dahalo. Omby miisa 550 avy any Belitsaka Maintirano hihazo an'i Tsiroanomandidy hamidy nosakanan’ny dahalo maro be mirongo basy mahery vaika tao Beravina-Morafenobe androany maraina. Tsy nisy ny maty sy naratra ny tompon'omby saingy lasan’ny dahalo avokoa ny omby ka miantso vonjy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo hanavotana ireto omby ireto, sy hisamborana ireo dahalo.

Nitrangana fanafihan-dahalo ihany koa tany Ebelo Amboasary Sud ary nisy fifandonana teo amin’ny tompon’omby sy mpanaradia andaniny, ary ny dahalo ankilany. Naratra voatifitra ny enina tamin’ireo mpanaradia sy ny tompon’omby ; voa mafy ny iray niantefan’ny bala teo ambanin’ny fony. Tsaboina ao amin’ny hopitaliben’Ambovombe Androy ireo maratra amin’izao. Maty tao anaty fifanjevoana ny dahalo iray ary azo sambo-belona ny iray.

Naka zaza iray natao takalon’aina ireo dahalo, sady mitaky vola 3 tapitrisa Ariary, ka anaovan’ireo maratra antso avo amin’ny mpitondra hamonjy azy ireo fa tsy milamina ny tany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.