Fenoarivo Atsinanana: Hanampiana ny famokaran-drano

  • mercredi, 15 janvier 2020 15:00
  • Sary Jirama

Hakarina ho 2 184m3 isan’andro ny famokaran-drano ho an’i Fenoarivo Atsinanana, raha toa ka 507m3 isan’andro izany amin’izao fotoana izao. Misy ny tetikasa fanamboarana tohodrano avy amin’ny reniranon’Itendro hanampiana ny famokaran-drano ho an’i Fenoarivo Atsinanana, izay fiaraha-miasan’ny JIRAMA sy ny fikambanana GRET.

Efa nanomboka tamin’ny 12 desambra 2019 ny asa, ka tokony ho vita ny 30 aprily 2020 raha ny tetiandro.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.