Trafika taolam-paty: Jiolahy 3 nitondra taolam-paty 5 sakaosy tra-tehaka tao Ambositra

  • mardi, 14 janvier 2020 21:19
  • Sary Zandarimaria

Sarona teo amin’ny sakana nataon’ny Zandary teo Andalamahitsy Ambositra II, amin’ny lalam-pirenena faha-7 ny folakandron'ny 12 janoary 2020 ny fiara mazda miloko mena sy fotsy avy any Fandriana nandehanan’ireo jiolahy telo nitondra taolam-paty lava miisa 188, natao tao anaty sakaosy miisa dimy, rehefa nahazo angom-baovao avy amin'ny olona tsara sitra-po ny Tobi-paritry ny Zandarimariam-pirenena Ambositra.

Nosamborina avy hatrany ireo lehilahy miisa telo nitondra izany, izay samy avy any Fandriana, ary niaiky fa mpisera taolam-paty, ary nogiazana ambalam-pamonjàna ihany koa ilay fiara.

 (Jereo Sary Tohiny)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.