Sambava: Zaza lahikely vao 9 volana narian-dreniny tany an-tsena

  • dimanche, 12 janvier 2020 19:07

Voasambotry ny Zandary tao Nosiarina ny zoma 10 janoary 2020 teo ny renin'ity zaza ity, taorian'ny nanoloran'ny fianakaviana azy teo amin'izy ireo, izay niahiahy fa mety novonoiny ny zanany rehefa tsy hita niaraka taminy intsony raha niverina tao Antetezandravina, Kaominina Ambohimazala izay fiaviany izy.

Tsy nazava mantsy ny fanazavan’ilay ramatoa, izay nilaza fa nateriny any amin'ny rain-janany tany Andranaly Kaominina Antindra, ilay zaza.

Voatery naterina aty amin’ny Zandarmaria aty Sambava nanohy ny famotorana ka tamin’izay vao nihaiky ny helony ilay ramatoa fa navelany any an-tsena ny alakamisy 09 janoary 2020 tokony tamin'ny 8ora maraina ilay zaza, dia nitsoaka izy rehefa avy eo ka tsy fantany intsony iza no nandray ny zanany taorian'izany.

Ramatoa iray izay efa ela naniry hanan-janaka, efa nitety tany maro izay mitrotro azy eto amin'ity sary ity, no nandray ilay zaza ka nikarakara sady efa vonona ny hitondra ny zaza hiakatra ho any an-drenivohitra no izao nipoitra izao ny marina.

Tazomina vonjimaika eny amin'ny Zandarmaria Sambava ilay reny tanora kely vao 17taona nahavanon-doza, ary ny zaza kosa efa naverina eo anivon’ny fianakaviany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.