Primatiora: Nankalaza ny Andron'ny manamboninahitra

  • dimanche, 12 janvier 2020 14:04
  • Sary nomena

Nandray anjara tamin'ny fankalazana ny  Andron'ny Manamboninahitry ny Tafika Malagasy, fanao isan-taona isaky ny 12 janoary, ny Praiminisitra, Lehiben'ny governemanta, Ntsay Christian.

Ireo manamboninahitra zandriny no mitarika ny fibaikona, fotoana iray koa anefa io hifanakalozana ary hanamafisana ny firaisan-kina, ka ankaotran'ny hetsika izay karakaraina dia misy ihany koa gisa atolotra ny Praiminisitra sy  ireo lehiben’ny manamboninahitra ho mariky ny fanajana sy fankasitrahana.

Nanambara ny Praiminisitra fa hojerena ny hanatsarana hatrany ny fampitaovana ny manamboninahitra eo anivon'ny BSP na ny “Bataillon de sécurité de la Primature”.

Raha tsahivina ny tantàra dia ny 12 janoary 1967 no namoaka ny andian’ny manamboninahitra voalohany ny Akademia miaramila ao Antsirabe.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.