Donald Trump: Nisafidy ny fitoniana

  • jeudi, 09 janvier 2020 09:42
  • Sary nindramina

Taorian'ny daroka nataon'i Iranianina ny tobim-pamaharana amerikanina ao Irak ny alin'ny alarobia 08 janoary, taorian'ny fandevenana ny Jeneraly Qassem Soleimani, novonoin'ny amerikanina tao Bagdad Iran ny zoma lasa teo, dia nanao fanambarana ny filoha amerikanina omaly alarobia 08 janoary.

Nisafidy ny fitoniana i Donald Trump, na dia nandrangaranga ny tanjaky ny tafika sy ny fitaovam-piadiana ananan'ny amerikanina aza izany.

Tsy nisy miaramila amerikanina maty na naratra hoy izy tao amin'ny toby, ary fitaovana maivana no simba tamin'ny daroka misila nataon'ny iranianina.

Ny Amerikanina hoy izy dia manana solika, ary tsy mila ny solika iranianina, fa faizina ara-teokarena i Iran hoy izy mandram-panekeny ny fialany amin'ny programa nokleary.

Miantso ny OTAN sy ireo firenen-dehibe hafa ny filoha amerikanina, hijery ny fandaminana ny any Irak sy Iran.

Tafiditra tao anatin'ny veliranon'ity filoha amerikanina ity moa ny hisitaka ara-tafika any Irak, nefa mbola tsy afaka hanao izany izy raha mbola manana olana amin'ny Iran.

Niantso fiaraha-miasa tamin'ny Iran i Donald Trump, filoha amerikanina, hamongorana ireo mpampihorohoro Daesh any amin'iny faritra iny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.