Maibahoaka Ivato: Kamiao sady lany "visite technique" no tapaka hisatra, nanitsaka olona

  • mardi, 07 janvier 2020 19:22
  • Sary nomena

Kamiao iray nitondra akondro nipoitra avy any Talatamaty miazo ny lalana ho any Ivato no nivoaka tampoka ny lalana rehefa naka sisiny ka nifatratra tamin’ny tambohon’ny tranon’ny loholona teo aloha Sylvain Rabetsaroana, eo Maibahoaka Ivato androany atoandro.

Araka ny angom-baovao dia niala moto nivilivily fandeha teo anoloany ilay kamiao no nampifatratra azy tany amin’ny tamboho. Ny hafa indray milaza fa vokatry ny fandehanana mafy no niteraka ny loza.

Nanatona ny Zandary teny Talatamaty avy hatrany ny mpamilin’ilay kamiao taorian’ny loza.

Vehivavy iray avy nitsena mpianatra nirava no voahitsak’ilay kamiao, ka maty tsy tra-drano. Nieren-doza kosa ilay zaza niaraka taminy.

Efa eny anivon’ny fianakaviany eny Ambatolampy Antehiroka ny razana.

Taorian'ity loza nitranga nahafatesan'olona teny Maibahoaka ity, dia nandray ny andraikiny avy hatrany ny teo anivon'ny DGSR (Direction Générale de la Sécurité Routière), ka rehefa nojerena ny "bases de données " dia hita fa lany tamin'ny 25 desambra 2019 lasa teo ny fe-potoanan'ny " visite technique " an'ity fiara tapaka hisatra ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.