Iran: Antapitrisany ireo vahoaka nanome voninahitra ny Jeneraly Qassem Soleimani novonoin'ny Amerikanina

  • lundi, 06 janvier 2020 13:20
  • Sary nindramina

Tamin'ny zoma 03 janoary teo no novonoin'ny Amerikanina tamin'ny alalan'ny drone, teo amin'ny seranam-piaramanidin'ny Bagdad tany Irak ny Jeneraly Qassem Soleimani sy Abou Mehdi al-Mouhandis, lehiben'ny Hachd al-Chaabi, anisan'ny fiarovana iranianina.

Naneho avy hatrany ny fanoherana izao tranga izao ireo Iranianina antapitrisany, ary dia mitaky ny valifaty handarofana ny Amerikanina.

Donald Trump, filoha amerikanina, dia manamafy fa ity Jeneraly ity no mpitarika ireo mpampihorohoro sy nanao ny fanafihana ny masoivoho amerikanina tany an-toerana.

Nanapa-kevitra ny Iranianina, fa dia hanohy ny fikarohana sy fanamboarana baomba atomika, raha nanaiky ny hanajanona izany izy teo aloha, izay fifanarahana nialan'ny Amerikanina ihany koa.

Anarivony ankehitriny ireo miaramila amerikanina nalefan'ny fitondrana amerikanina hiazo an'i Kohety, firenena mifanila amin'i Iran, anamafy ireo miaramila efa any an-toerana.

Rahampitso talata 07 janoary no alevina ny Jeneraly Qassem Soleimani, androany dia niantso ny rehetra hiomana amin'ny famaliana faty ity Jeneraly ity ireo mpitarika any Iran.

Niantso fitoniana ireo firenena eorepeanina, na tsy nitsikera ny fanafihana nataon'ny Amerikanina.

Ny Rosianina sy ny Sinoa kosa nilaza fa manana ny fiandrihanany ny Iranianina, ka tsy azo ekena ny fanafihana nataon'ny Amerikanina tsy nahazo alalana tamin'ny firenena mikambana.

Iran moa dia anisan'ny firenena mpamokatra solika lehibe eran-tany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.