Sambava: Sarona ireo entana lany daty nokasaina hamidy amin'ny mpanjifa

  • lundi, 06 janvier 2020 12:20
  • Sary Gasypatriote Sambava

Tranga mampalahelo no misy amin'ny mpivarotra maromaro izay mbola minia mivarotra entana efa fantany fa lany daty, izay misy fiantraikany amin'ny fahasalaman'ny mpanjifa.

« Manerana ny Faritra SAVA dia samy nahatratrarana avy », hoy ny Talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana, Be Christophe teo ampamotehana ireo entana lany daty ny zoma 03 janoary 2020 teo iny, sady nampianatra ny olona izay tsy manana fahazarana amin’ny fijerana ny daty misoratra amin’ireo entana hovidiny mba ho mahina hatrany manomboka izao.

« Nahoana no miverimberina foana ireo tranombarotra izay hatratrarana zavatra tahaka ity ka mbola mamerina hatrany izay raisinay ho fanampoizina anay », hoy ny fanontanian'ny mpanjifa.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.