Zandary namono olona teny Ivato: Hampidirina ho mpiasa eo anivon'ny Zandarimaria ilay vehivavy vady navelan'ny maty

  • jeudi, 02 janvier 2020 22:14
  • Sary ZP

Tonga teny amin’ny HJRA Ampefiloha, tamin’ny fotoana hakan’ny fianakaviany ny nofomangatsiakan’ilay lehilahy maty tsy tra-drano notifirin’ny zandary iray teny Ivato ny marainan’ny taombavao 1 janoary 2020, ny fianakaviamben'ny Zandarimaria notarihin'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny jeneraly Richard Ravalomanana sy ny Jeneraly Komandin'ny Zandarimaria, ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, nitondra ny teny fampiononana ho an'ny fianakavian'ilay maty.

Nilaza ny Minisitra fa efa nandraisana fepetra hentitra araka ny lalàna ilay zandary nahavanon-doza. Hisy ihany koa ny fiahian'ny Zandarimaria ilay vehivavy mananontena, vady navelan'ny maty ka mety hampidirina azy ho mpiasa sivily eo anivon'ny Zandarimaria.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.