Fifamoivoizana: Haverina ny "Police de la Route" sahanin’ny Polisim-pirenena

  • mardi, 31 décembre 2019 18:54
  • Sary nindramina

Nanome alalana ny hamerenana indray ny "Police de la Route" ho an`ireo polisy nasionaly ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, nandritra ny fivoriana natao omaly tao amin’ny Commissariat Central Tsaralalana, niaraha-nikatsaka vahaolana amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy ny fandriampahalemana.

Nanao fanambarana ny Polisim-pirenena fa « haverina tsy ho ela ny "Police de la Route" manerana ny Nosy.

Miantso ny fahatsiarovan-tena sy ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena tsirairay ny Polisim-pirenena mba hifanome tanana hiady sy hanohitra ny kolikoly an-dalambe satria dia tsy hilefitra manoloana izany ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka ary handray avy hatrany ny fepetra mifanandrify amin`izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.