Vola sandoka: Vao nivoaka ny fonja dia voasambotra indray ilay Ramatoa

  • dimanche, 29 décembre 2019 19:02
  • Sary Zandarimaria

Ramatoa iray sahabo ho 50 taona no nosamborin’ny Zandary raha nikasa handrotsaka vola sandoka amin'ny kaontiny amin'ny "cash point" iray tao Isoanala, Distrikan’i Betroka omaly sabotsy 28 desambra 2019. Lelavola roa alina Ariary sandoka miisa 6 amin'ireo 15 saika narotsany no tany aminy.

Vao nivoaka ny fonja tsy ela noho ny raharaha fisandohana ity ramatoa ity, dia izao mamerin-keloka izao indray.

Mandray an-tanana ny famotorana azy ny Zandary ao amin’ny Tobi-paritry ny Zandarimariam-pirenena Isoanala.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.