Lozam-pifamoivoizana: Telo mianaka niharan-doza, maty ny roa

  • lundi, 02 décembre 2019 21:48
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahery vaika teo Andranonahoatra-Antsirabe ny alahady 01 desambra 2019 mitatao vovonana. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso ny loza dia itony moto scooter itony no nifandona tamin’ny fiara mini-bus iray, izay voalaza fa samy nandeha mafy.

Hianatsimo ilay fiara, raha toa ka hianavaratra ilay scooter izay nanao taingin-telo, mpianaka avokoa izy telo lahy. Vokatry ny dona mafy nahazo dia tsy tana ny ain’ireo olon-dehibe roa rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Fahatapahana teo amin’ny tongony no nahazo ilay zazalahy kely iray.

Tsy nisy naninona ny tao anatin’ilay fiara mini-bus fa ny fiara no nisy fahavoazana vokatry ny dona nahazo azy.

Vokatry ny loza dia nentim-pahatairana ny vadin’ilay rangahy nitondra ilay moto scooter ka torana tsy nahatsiaro tena ihany koa, ka mbola arahi-maso eny amin’ny hôpitaly Atsimo tamin’ny fotoana nanoratana ity vaovao ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.