Fanafihana mitam-basy: Maty notifirin’ny jiolahy i Zafindrafidy Hamad, Ben’ny tanànan’Antsiranambe

  • vendredi, 08 novembre 2019 22:03
  • Sary Niry Ratovoarivony

Fira famaky sy tifitra basy teo amin’ny tendany no nahafaty an-dRakotonirina Zafindrafidy Hamad, nandritra ny fanafihana mitam-basy nitranga ny alin’ny alakamisy hifoha ity zoma 8 novambra ity, nanodidina ny misasakalina. Tao amin’ny Fokontany Ambalanomby, Kaominina ambonivohitr’i Farafangana no nisehoan’ity vono olona ity.

Ben’ny tanàna amperinasa ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Antsiranambe, Distrikan’i Farafangana i Rakotonirina Zafindrafidy Hamad. Tsy isan’ireo kandida nirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana hatao amin’ny 27 novambra 2019 ho avy izao intsony izy. Hamita iraka no niakarany teto Farafangana, niaraka tamin’ny vady aman-janany, no izao niharan’ny herisetra nitarika tamin’ny fahafatesany izao.

Nopoirin’ireo jiolahy, izay tsy voafaritra mazava ny isany, ny hidin-trano, ary avy hatrany dia nifampitolona taminy ireo jiolahy tafiditra tao an-trano sady nitaky vola. Tratry ny be no vitsy anefa ingahy Ben’ny tanàna, ka niharan’ny fira famaky sy tifitra basy teo anatrehan'ny vady aman-janany, ireto farany izay tsy nisy voakitika.

Namela vehivavy mananontena sy kamboty mianadahy tsy mbola ampy taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.