Andranomanalina Isotry: Tsy mandry fahalemana

  • vendredi, 08 novembre 2019 21:28
  • Sary Njaka

Jiolahy mitam-basy miisa efatra no nanafika olo-tsotra nitondra versement patte jaune, ka nitifitra avy hatrany ny nanandrify ny fon'ity tovolahy iray, izay niaro ny sac banane nisy ilay vola teny aminy. Antsoina amin’ny anarana hoe Naivo ity tovolahy ity ary mipetraka eny Andranomanalina Isotry.

Teny amin’ny tetezan’ny bekiraro io hariva io tokony ho tamin’ny fito latsaka fahefany teo no nitrangan'ny fanafihana.
Maty tsy tra-drano moa i Naivo, ary nivoaka tao an-damosiny ny bala izay notifiran’ireo jiolahy azy, avy eo dia nanao tifi-danitra ireo jiolahy mba hiparitahin’ireo olona manodidina.

Efa hita, araky ny fitilina nataon’ny mpitandron’ny filaminana, ireo bala izay notifirana ity tovolahy ity, ary mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana.

Mangataka hatrany ireo mponina eny amin’iny toerana iny mba hijerena hifotony ny resaka fandriam-pahalemana, izay miantefa amin’ny mpitondra fanjakana, satria dia efa mateti-mpiavy loatra ny tsy fahandriam-pahalemana eny an-toerana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.