Fisavana fiara tamin’ny RN7: 23 tsy tokony hifamoivoy, 2 nampidirina ambalam-pamonjana

  • vendredi, 08 novembre 2019 19:23
  • Sary DGSR Mada

Manohy hetsika fidinana ifotony an-dalambe ny ekipan'ny « Service des opérations et contrôles routiers ». Tany Andohanilakaka, amin’ny lalam-pirenena faha-7, izy ireo ny 07 novambra 2019.

Fiara niisa 52 no nanaovana fitsirihana ifotony teo anelanelan’ny tamin’ny 09 ora maraina hatramin’ny 05 ora sy sasany folakandro. Fiara 23 tsy ara-dalàna, ka 16 amin’ireo dia patsitsika (ratsy sy mandratra), 02 nampidirina ambalam-pamonjana noho ny fahalanian'ny paikandro fitsirihana ara-teknika na « visite technique expirée ». Teo koa ny tsy fahatomombanana ara-teknika tsikaritra toy ny faharatsiana ivelany sy anatiny.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.