Sambava - Tranga manaitra: Fikambanana mampiasa fitomboka mena
- jeudi, 10 octobre 2019 14:20
- Sary Gasypatriote Sambava
Tonga nanatona ny lehiben’ny Fokontany Ambatofitatra, Kaominina ambonivohitra Sambava ireo olona nahazo fanamarihana tamin'ny fandoavana adidy amin'ny fidirana amin'ny tany voatondro hozaraina ka samy mandoa 1 000 Ar, fa ny tsy mazava amin'izy ireo dia nahoana ny an’ny sasany toa fitomboka manga no tamin’ny karne nanamarihana ny fandoavam-bola ary ao kosa ny fitomboka mena?
Nanipika mazava tsara ny lehiben’ny Fokontany rehefa nanontaniana fa tsy izy no tompon'andraikitra amin'ity fa ireo milaza ho mpitarika ilay Fikambanana, ary na izy tenany aza mba taitra raha nahita izao fampiasana fitomboka mena izao, ka mametra-panontaniana hoe : tsy fahaizana sa fanahy iniana mba hamitahana ny mponina fa hoe ara-panjakana ny fizarana ny tany ?
Voatokana ho an’ny fanjakana ihany mantsy ny fampiasana ny fitomboka mena.
(Jereo Sary Tohiny)
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
http://sobikamada.com/vaovao/item/20955-sambava-tranga-manaitra-fikambanana-mampiasa-fitomboka-mena.html#sigProGalleria7020fc62f1
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.