Amoronakona: Misy « fuite » ny famokaran-drano

  • jeudi, 10 octobre 2019 12:37

Nitondra fanazavana ny minisitry ny angovo sy ny rano ary ny akoran’afo, Andriamanga Vonjy, manoloana ny tsy mbola maha tomombana ny famatsian-drano miainga avy amin’ny foibe famokaran-drano vaovao naorina eny Amoronakona hamatsiana ny mponina amin’ny ilany atsinanan’Antananarivo.

Tapabolana izay no efa nahavitan'ny fotodrafitrasa eny an-toerana saingy mbola tsy afaka misitraka ny rano fisotro madio ireo mponina mijaly rano noho ny olana ara-teknika samihafa.

Misy « fuite » maro, hoy ny fanazavana. Noho io fanatsarana ny lafiny teknika io, izay hiasana andro aman'alina, dia lasa mitarazoka ny fanatsarana ny famatsiana rano ho an'ny faritra atsinanan'Antananarivo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.