Fianarantsoa: Hanao diabe am-pahanginana

  • mercredi, 09 octobre 2019 22:13

Hisy diabe am-pahanginana hotanterahina eto an-drenivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony ny zoma 11 oktobra 2019. Natao ho fahatsiarovana sy fanomezam-boninahitra ireo namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nisesy teto Fianarantsoa, ho fifanohanana amin'ny fianakaviana namoy havana, ary ho fanairana ny fandraisana andraikitry ny rehetra sy ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny ity hetsika ity.

Hiainga eo amin'ny Vigie Police Talatamaty ity diabe am-pahanginana ity, manomboka amin'ny dimy ora latsaka fahefany hariva, avy eo mihazo eny amin’i Aridera. Hisy fametrahana fehezam-boninkazo eo amin'ny toerana nitrangan'ny loza eo Talatamaty tamin’ny zoma 3 oktobra 2019.

Mitohy mihazo an'Ambalapaiso Ambony ny diabe, ary hisy koa fametrahana fehezam-boninkazo, toerana nahafaty ilay renim-pianakaviana mpangataka ny 7 oktobra 2019.

Fitafiana miloko fotsy sy mainty no hanaovan’ny mpandray anjara mandritra izany, miaraka amin’ny labozia sy voninkazo na fehezam-boninkazo.

Miara-manomana ity hetsika am-pilaminana ity ny vondrona “Ina ro Ina Fianara (IRIF)”, ny Association des journalistes-Animateurs et Communicateurs de Fianarantsoa (AJCF), ny Fikambanamben'ny Artista, ny Fikambanan'ny Mpanety eto Fianarantsoa, ny Governoran’i Matsiatra Ambony ary ny Prefektioran’i Fianarantsoa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.