Sambava: Vola sandoka no nandoavan’ireo mpisoloky ny vidin’ny lavanila 22kg, mitentina 22 tapitrisa Ariary

  • mardi, 08 octobre 2019 21:24

Fahavoazana tsy roa aman-tany no nahazo an’ity tantsaha mpamokatra lavanila iray avy any amin’ny Kaominina Nosiarina, tonga teto Sambava omaly alatsinainy 7 oktobra 2019. Lasan’olona ny lavanila 22kg, vola voarainy anefa sandoka avokoa. Nipenimpenina, efa teo ambavahaonan’ny famonoan-tena ilay tantsaha voasoloky.

Nifanao fotoana teo Antanifotsy 2, Fokontany iray eto Sambava tampon-tanàna, ilay tantsaha niaraka tamin’ny lavanila maina 22kg sy ny mpividy lavanila. Telo lahy ireto farany no tonga. Natao ny ady varotra. Nifanaraka ny andaniny sy ankilany fa iray tapitrisa Ariary ny vidin’ny iray kilao. Nanome vola mbola tao anaty fonosana an’ilay tantsaha ireo mpividy. Nilaza ireto farany fa holanjaina aloha ny entana, hohamarinina. Tsy nanana ahiahy ilay tantsaha, ny vola be 22 tapitrisa Ariary rahateo efa anaty fonosana eny an-tanany.

Lasa ary dia nanao sambo nilentika niaraka tamin’ny lavanila anefa izy telo lahy. Velon’ahiahy ilay tantsaha rehefa naharitra ny dian’ireto milaza fa mpividy, ary tsy niverina teo aminy niaraka tamin’ny entana nifanarahana fa holanjaina. Rehefa ela niandrasana dia tapa-kevitra ilay tantsaha ka nosokafany ny fonosam-bola teny an-tanany. Teo vao hitany maso fa zavatra hafahafa ny tao anaty fonosana. Vola sandoka mitontaly 80 000 Ariary miampy ravin-taratasy maromaro, milokoloko ary notapahana mba hitovy habe amin’ny vola tena izy ny ambiny.

Kepoka ilay raim-pianakaviana fa voasoloky ary saika hamonnon-tena noho ny fahadisoam-panantenana lehibe. Omaly hariva ihany dia efa tonga nitaraina teny amin’ny biraon’ny Zandarimariam-pirenena. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Zandary ary efa mandeha ny fikarohana ireo mpisoloky, mpanamparitaka vola sandoka ireo ankehitriny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.