Swami Sivananda: 123 taona izy izao, raha ny voarakitry ny pasipaoro eny ampelan-tanany

  • mardi, 08 octobre 2019 14:47
  • Sary nindramina

Raha marina sy voaporofo ny daty nahaterahany voarakitra ao amin’ny pasipaorony dia i Swami Sivananda no zokiolona indrindra miaina eto amin’ity bolantany iainantsika ity.

Teraka tamin’ny 8 aogositra 1896 tany Behala, Inde izy. Na ireo mpiasan’ny seranam-piaramanidina tao Abou Dhabi, Dubai aza gaga sy zendana raha nahita ny taonan’i Sivananda, nefa mbola nahavita nitaingina fiaramanidina avy any Kolkata hiazo an’i Londres, niaraka tamin’ny fiaramanidin’ny kaompania Ethihad Airways, raha nijanona kely tao Abou Dhabi Dubaï.

Vao enin-taona i Swami Sivananda dia efa kamboty, namoy ny ray sy reniny ka fianankaviany no nitaiza azy.

Manao Yoga i Sivananda. Tsy tia misotro ronono na mihinana voankazo, ary matetika no matory tsy mihinana na mandry fotsy tamin’ny fahazazany, raha ny filazany. Vary, « lentille », miampy rony tsy misy hanitra fa arahina sakay maitso no fihinany.

Tamin’ny 2016 izy no efa nisy nampahafantatra mba ho soratana amin’ny boky mirakitra ireo zava-mahagaga erantany na Guinness, saingy noho ny fahasarotana amin’ny fanaporofoana ny tena datinandro nahaterahany dia tsy mbola voarakitra ao ny anaran’i Sivananda.

Hatreto dia mbola ilay Frantsay vavy Jeanne Louise Calment, no voamarina fa ela velona indrindra. Niaina 122 taona sy 164 andro izy. Ny zokiolona mbola velonaina koa dia vehivavy teratany japoney, Kane Tanaka teraka tamin’ny 2 janoary 1903, izany hoe 116 taona mahery.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.