Betsiaka- Ambilobe: Mitam-piadiana ireo mpamotika ny ala arovana

  • mardi, 08 octobre 2019 13:55
  • Sary nindramina

Valo lahy mitam-piadiana no tra-tehaka mikapa hazo sy manao saribao ao amin’ny faritra arovana Andrafiamena, Kaominina Betsiaka, Distrika Ambilobe. Fiaraha-miasan’ny zandary avy amin’ny « Poste avancé » Betsiaka, ny foibem-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra miaraka ny ekipan’ny Fanamby sy ny KMT (Komity Miaro ny Tontolo iainana) no nahazoana ny vokatra.

Eo ampelantanan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antsiranana ny raharaha ankehitriny. Manahy valifaty ny ekipan’ny Fanamby sy ny KMT (Komity Miaro ny Tontolo iainana) raha votsotra amin’izao ireto andian’olona ireto.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.