"Village Voara" Andohatapenaka: Mampiantrano fikaonan-doham-pirenena momba ny tanàn-dehibe

  • lundi, 07 octobre 2019 20:07
  • Sary MAHTP

Tanterahina nanomboka androany alatsinainy 7 oktobra 2019 etsy amin'ny "Village Voara" Andohatapenaka Antananarivo, ary haharitra telo andro ny Fikaonan-doham-pirenena momba ny tanàn-dehibe, andiany faha telo.

Lohahevitry ny fankalazana amin’ity ny hoe : "Ny tanàn-dehibe, fanohitra ho an'ny fampandrosoana haingana sy maoderina". Mifanojo indrindra amin’ny alatsinainy voalohany amin'ny volana oktobra izay natao hankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny toeram-ponenana ity fanombohan’ny hetsika ity.

Kendrena mba tena hametrahana drafi-panajariana matotra sy maharitra ary tena hampivoatra ny tanàn-dehibe sy hahatonga azy ireo ho fanohitra tokoa ho an'ny fampandrosoana ny fikaonan-doha toy izao, hoy ireo mpandray fitenenana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.