Emagnobo - Tolagnaro: Fisaram-panambadiana nivadika ho ady saritaka, olona 11 maty

  • lundi, 07 octobre 2019 12:49
  • Sary: Njaka Nirina

Nandriaka ny rà taty Emagnobo, Distrikan’i Tolagnaro ny faran’ny herinandro teo. Nivadika ho fifamonoana faobe ny fisaraham-bady teo amin’ny lehilahy avy ao Emagnobo sy vehivavy avy any Esira-Amboasary Atsimo. Nampakatra vehivavy hafa ralehilahy nefa tsy mbola vita ny fombafomba amin’ny fisarahana tamin’ny vadiny teo aloha.

Niditra an-tsehatra ny Dina be, izay jado na malaso niova fo avy any Esira, nandamina. Omby maromaro no notakiana ho onitra ho sazin’ilay rangahy. Nanda ny hanavaka omby maro ny fianakavian-dralehilahy. Nandrahona ny handraoka ny omby teo an-tanàna ireo mpampihatra dina ka raikitra teo ny disadisa ady saritaka, niafara tamin’ny vono olona io. 11 no namoy ny ainy ka lasibatra ireo mpampihatra Dina.

Atahorana ny valifaty amin'izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.