Sambava: Nampiantrano ny fankazalana nasionaly ny Andro manerantany ho an'ny zokiolona

  • mercredi, 02 octobre 2019 19:04
  • Sary Gasypatriote Sambava

"Zokiolona Mpitahiry soatoavina, taratry ny fahendrena'', io no lohahevitra nentina nankalazana ity Andro manerantany ho an'ny zokiolona ity, hoy ny Minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Naharimamy Lucien Irmah, izay tonga teto andrenivohi-paritra SAVA ny 01 oktobra 2019.

Notsiahiviny fa efa any amin'ny Parlemantera ny volavolan-dalana izay natao hanamorana ny fiainan'ireo zokiolona, dia ny kara-maitso izany.
Raha lany izany dia hisitraka izany koa ny Banomo na zokiolona aty SAVA, hoy Atoa Finomana Erneste Filohan'ny Fikambanana Banomo.

Nitodika manokana tamin'ireo mpandraharaha eto an-toerana ireo zokiolona mba hanamboarana ny lalana eto antampon-tanana izay tena mampijaly, fa ratsy loatra.

Nisy ny fandraisana an-tanana maimaimpoana ireo zokiolona manana olana ara-pahitana, sady hiadivana amin'ny aretina katarakta, nandritra ny hetsika ; fanomezan-tanana avy tamin'ny Lions Club eto Sambava. Mbola nizarana maimaimpoana solomaso izay tokony hahazo izany.

Nanamarika ity fotoana ity ny fitokanana trano ho an'ny Banomo ato amin'ny Faritra SAVA.

Nisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa avy tamin'ny ''Ordre des médecins SAVA'' sy ny fikambanana Zanaka Ambanivolo amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo zokiolona rehetra ato amin'ny Faritra SAVA.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.