Andohanimandroseza - Antananarivo: Trano lehibe iray tra-tehaka nangalatra herinaratra

  • mercredi, 02 octobre 2019 09:37
  • Sary: JIRAMA

Trano lehibe iray, ahitana rihana roa, ao amin’ny Fokontany Andohanimandroseza no tra-tehaky ny Jirama noho ny fangalarana herinaratra.

Ny taona 2017 no notapahana ny herinaratra tao amin’ity trano lehibe ity noho ny tsy fandoavany ny faktioran’ny Jirama. Mbola nihodina hatrany ilay kaontera hatramin’ny 30 septambra 2019 nandritra ny fitsirihana nataon’ny iraky ny Jirama.

Mpiasan’ny orinasa Jirama ihany no nambaran’ny tompontrano fa namerina ny herinaratra tao aminy rehefa avy nitaky vola enina hetsy Ariary taminy. Nesorina avy hatrany ilay kaontera ary nandefasan’ny Jirama fiantsoana ilay tompontrano sy ilay mpiasan’ny Jirama voatonontonona tamin’izao halatra izao.

Araka ny fitsipika eo anivon’ny Jirama dia manonitra izay sandan’ny herinaratra nampiasainy, maimaimpoana, ilay tompontrano. Raha toa ka mandà ny marimaritra iraisana izy dia hampakatra ny raharaha any amin’ny Fitsarana ny Jirama.

Nahatratra 351 ny fitsirihana notanterahina teo anelanelan’ny volana febroary sy jolay 2019, ka 257 ny hosoka tratra, raha 91 kosa ny halatra. Mitentina hatramin’ny 708 960 751 Ariary kosa ny vola niverina tamin’ny Jirama tamin’ny fanaovana fitsirihana ny taona 2018 ka hatramin’ny jolay 2019.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.