Bakalôrea 2019 – Moramanga: Mpiadina telo no maty

  • mardi, 01 octobre 2019 19:27

Nanamaloka ny fanadinana bakalôrea 2019 ity teto Moramanga ny fahafatesan’ny mpiadina miisa telo tamin’ireo tokony hiatrika fanadinana nanomboka omaly.

Tovovavy iray nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny fotoana niatrehany adina ara-panatanjahantena (EPS).

Ny kandida faharoa narary. Nentina notsaboina tany Antananarivo saingy tsy tana ny ainy.

Ny fahatelo maty noho ny lozam-pifamoivoizana tao Ambohitranjavidy tamin’ny lalam-pirenena faha-44 ny alahady 29 septambra firavan'ny Fiangonana atoandro, andro mialoha ny fanombohan’ny fanadinana bakalôrea.
Avy any ambanivohitry ny Kaominina Mandialaza ity kandida ity. Noheverin'ny fianakaviana ho sangany, izay sambany vao hisy hanala bakalôrea, dia nifarimbonan'izy rehetra ny fanohanana azy.

Efa nandray an-tanana ilay mpianatra ny DREN sy ny CISCO. Maro ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana bakalôrea no latsa-dranomaso noho izao fahalasanan'ny naman'izy ireo izao.

Misy mpiadina telo hafa lasa verivery saina. Nalefa hotsaboina any amin'ny Toby FLM Ambohibao ny roa amin’ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.