RN5A Ambilobe – Vohémar: Vao nirotsaka ny orana, taxi-brousse iray nivadika

  • lundi, 30 septembre 2019 10:57
  • Sary nomena

Fiarabe mpitatitra olona avy any Ambilobe hiazo an’i Vohémar no nivadika tampoka rehefa avy niakatra ilay fiakarana malama eo amin'ilay toerana antsoina hoe Antsahapano, amin’ny lalam-pirenena faha-5A ny tolakandron’ny sabotsy 28 septambra 2019 tokony ho tamin’ny 2ora. Niparitaka tamin’ny facebook ny rakin-tsary maneho ny loza.

Efa niala avokoa ny ankamaroan'ny mpandeha, saingy nisy vitsivitsy toy ny vehivavy nitaiza sy ankizy tao fa malama ny lalana, noho ny rotsak’orana, dia ireny tsy nivoaka ny fiara.

Tsy nisy ny aina nafoy fa voadona noho ny fitsimbadihan'ilay fiara sy fahatairana no nisy. Nisy zaza menavava tokony ho enim-bolana anisan’ireo navoaka tao fa tena tsy naninona.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.