Faritra SAVA: Fametrahana samboadin'ireo solombavam-bahoaka

  • dimanche, 29 septembre 2019 19:42
  • Sary Gasypatriote Sambava

Tao Antalaha no nanatanterahana ny lanonana fametrahana ny samboadin'ireo solombavam-bahoaka voafidy tato amin'ny Faritra SAVA omaly, sabotsy 28 septambra 2019, nahitana an-Rabenary Jean (Andapa), Mamangy Norbert sy Ramilison Ange Richard (Sambava), Nasira Julien (Antalaha) ary Edizara (Vohémar).

Ady amin'ny kolikoly no vaindohan-draharaha hoy ny solombavam-bahoaka voafidy tao Antalaha. "Ny depiote aty SAVA dia vonona hanampy ny filoham-pirenena hiady amin'ny kolikoly, omaly ihany izaho tao Ambatofisaka Antalaha dia efa nahazo sary polisy nandray vola tamin'ny mpitondra moto nandritra ny fisavana nataony. 89% ny olona tonga tao aminay dia voaporofo fa ny kolikoly no fototry ny olana mianjady amin'izy ireo. Mino aho fa raha voafoanantsika io kolikoly io dia handroso ny Faritra SAVA'', hoy izy.

Ankoatran'io dia hanao ezaka izy ireo mba hahatonga an'Ampanefena (Vohémar) ary Amboangibe (Sambava) ho lasa Distrika mahaleotena, ary maniry ny hanokafana ny lalana mampitohy an'Antalaha-Andapa sy Antalaha-Maroantsetra.

Tonga nametraka ny samboady ny filoha lefitra ny Antenimieram-pirenena Faritany Antsiranana, Rahelihanta Jocelyne Maxime notronin'ny solombavam-bahoaka voafidy tany Nosy-Be, Razafindravony Marifidy Christine na Tatie Chris.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.