Ambalakely- Fianarantsoa: Hisy fonja vaovao ato anatin’ny valo volana

  • vendredi, 27 septembre 2019 21:34
  • Sary nindramina

Natao androany 27 septambra 2019 ny fametrahana ny vato fototry ny asa fanorenana fonja vaovao ao Volamena, Kaominina Ambalakely, Distrikan’i Lalangina, Faritra Matsiatra Ambony.

Hahazaka voafonja sivanjato ity fotodrafitr'asa vaovao ity. Haharitra valo volana ny asa fanamboarana, ary ho atao modely amin'ireo fonja rehetra izay ho hatsangana, araka ny nambaran'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, « hanalana ny laza ratsin'i Madagasikara mahakasika ny toeram-pamonjana ».

Nampita ny hetahetan'ireo mpandraharahan’ny fonja hanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny andraikitra Randrianasolo Jacques, minisitry ny fitsarana sady Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana. Nampanantena avy hatrany ny Filoham-pirenena fa hotadiavina faran'izay haingana ny hevitra hahafahan'ireo fonja mamokatra ; indrindra moa fa fanampiana ny voafonja hiomana amin'ny fiverenany eo anivon'ny fiaraha-monina izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.