Antananarivo Renivohitra: Mankalaza ny faha-20 taonany ny Polisy Monisipaly

  • vendredi, 27 septembre 2019 21:20
  • Sary nindramina

20 taona nijoroana izao ny Polisy Monisipaly eto Antananarivo Renivohitra. Vavaka iraisam-pinoana tao amin’ny FJKM Mahamasina Atsimo no nanombohana ny fankalazana androany ary haharitra heritaona, ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 27 septambra 2020. Marolafy ny hetsika hanamarihana ity faha-20 taonan’ny Polisy Monisipaly mandritra izay herintaona izay.

Miisa 258 ny Polisy Monisipaly miara-miasa ao amin’ny Kaominina Renivohitra Antananarivo, manao ho adidy ny fiantohana ny filaminana sy ny fampandrosoana ny tanànan’Antananarivo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.