Fandriampahalemana: Zandary 95 no lavo amperin’asa tamin’ny fifanandrinana tamin’ny dahalo

  • vendredi, 27 septembre 2019 20:14
  • Sary nindramina

Nitondra fanazavana ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena mandiso ny tatitra nataon’ny ONG iray tany amin’ny fivoriambe faha-42 ny Filankevitry ny zon’olombelona any Genève tamin’ny 19 septambra 2019, miampanga ny Zandarimaria ho mpamono olona tsy mandalo fitsarana sy manao izay hahaleo monina ny Malagasy any atsimon’i Madagasikara, indrindra tao amin’ny Distrikan’i Betroka. Raha ny fitorohana dia mpiompy omby 4 000 eo no namoronana heloka ka maty novonoin’ny Zandary hatramin’ny taona 2012 no mankaty.

Nandroso ny antotanisa teo aminy ny Zandarimariam-pirenena milaza fa 4 403 ny isan’ny sivily Malagasy maty nanerana ny Nosy hatramin’ny 2013 no mankaty, vokatry ny fanafihan-dahalo, tsy araka ny tatitra nataon’ilay ONG, ary maty novonoin’ny dahalo mpangalatra omby ny 1 291 tamin’ireo namoy ny ainy ireo.

Araka ny tarehimarika avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena hatrany dia 1 120 ny isan’ireo dahalo maty tany amin’ny faritany Toliara, ka tao amin'ny Distrikan’i Betroka ny 155 tamin’ireo. Nisy 547 ny Fokonolona namoy ny ainy, ka tao amin'ny Distrikan’i Betroka ny 55.

Niisa 95 ireo Zandary maty amperin’asa vokatry ny fifandonana tamin’ny dahalo amin’ny hetsika fampandriana fahalemana ny tany, hatramin’ny 2012 ka tonga amin’izao 2019 izao. Manamboninahitra ny enina tamin’ireo, Zandary Manamboninahitra lefitra ny 37 ary Zandary tsotra ny 63. Tany amin’iny faritra atsimon’i Madagasikara iny avokoa no lavo an’ady ny 56 tamin’ireo.

Mampahatsiahy ny Zandarimariam-pirenena fa ny andininy faha-121 amin’ny didim-panjakana 63-253 tamin’ny 09 febroary 1963 dia manome alalana ny mpitandro ny filaminana hampiasa fitaovam-piadiana anatin’ny fifandonana amin’ny olon-dratsy.

Tsy miray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy sy ny mpandika lalàna na mihoa-pefy ny Zandary hoy hatrany ny tatitra, porofon’izany 58 ny Zandary tazomina am-ponja vonjimaika hatramin’ny 1 febroary 2019.

Malalaka, tsy misakana ny hanaovan’ny ONG fanadihadiana mahaleotena tsy miaraka amin’ny zandary, ny Zandarimariam-pirenena hoy hatrany ny tatitra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.